- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversSafira « Masom-piso » : Srilankais 2 sy vehivavy gasy hiatrika ny...

Safira « Masom-piso » : Srilankais 2 sy vehivavy gasy hiatrika ny fampanohavana

Ho eny amin’ny Fampanohavana anio maraina ny raharaha fantatry ny maro amin’ny hoe “safira masom-piso”. Teratany srilankais roa sy vehivavy Malagasy iray no voarohirohy amin’izany. Tao anantin’ny herinandro vitsy izay, nahatonga resaka be ilay safira faran’izay lafo vidy antsoin’ny sasany hoe “masom-piso”. Tany amin’ny faritra Andilamena no nahitana azy io. Sivy no mitonona fa tompony. Teo dia nifamahofaho ny fandehan-javatra. Olona maro no tafiditra ao amin’ity raharaha ity. Ao ireo milaza fa tompony, ao koa ireo mpividy sy mpanelanelana. Rehefa nandeha ny fikarohana, fantatra fa srilankais roa no tena tafiditra ao anatiny. Izy ireo indray no fantatra fa nizara roa. Ny voalohany dia ireo nampiasa ny mpitandraka ny vatosoa, ary milaza fa tompony. Ny andaniny faharoa kosa voatondro fa ireo izay naka ny vato teny ampandehanana teny. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa lasany ny vato ary dia tsy hita izay misy an’ilay izy hatramin’izao. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa toa efa nisy ny fifanatonana teo amin’ny roa tonta omaly nefa tsy nanjary izany. Resaka ny hamerenana ny vatoilay izy.

Anio izany no tsy maintsy ahalalan’ny mparam-baovao izay tena zavatra nisy marina amin’ity reaka safira “masom-piso” ity. Voalaza moa fa anisann’y tena faran’izay fatratra amin’ny vatosoa hita aty amintsika ity hilanolanana ity. Tsetsastetra tsy aritra no hilazana etoana fa nakaton’ny fitondrana ny ny any Andrebabe any Andilamena, toerana fitrandrahana safira. Nasaina niala avokoa ireo vahiny rehetra voalaza fa mitrangatra izany any an-toerana.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser