Nitafa tamin’ny mpanao gazety ireo olona sivy mianadahy, omaly, mikasika ilay safira “masom-piso” nahabe resaka tamin’iny herinandro lasa iny. Ny mpisolo vava azy ireo, Me Olala, no nitondra ny teny ary nanazava tamin’ny antsipiriany ny zavatra niseho. Tamin’io fihaonana io no nilazany fa hametraka fitoriana vaovao any aminn’y Mpitsara zoky olona indray ireto olona ireto. Hatramin’izao mantsy, tsy hita ilay safira lafo vidy. Mahatsapa fa voarirarira ireo tena tompony. Tsy misy mangirana ny resaka mikasika ity raharaha ity. Tamin’ity herinandro ity, voalaza fa hiatrika ny Fampanoavana ireo rehetra tafiditra amin’ity aferana vatosoa lafo vidy ity. Tsy raikitra mihitsy anefa izany satria tsy nisy olona tonga teny amin’y fitsarana. Farany lasa “dossier sans suite” ilay izy. Dia niala maina ireo sivy mianadahy amin’izao fotoana izao. Ny fitoriana hapetrak’izy ireo vaovao dia hiompana amin’ny fivadiham-pitokisana sy fisolokiana. Lavitra ny toerana niavian’izy ireo ary tsy maintsy mandeha mody ny ankamaroany. Ny resaka re omaly hatrany no nahafantarana fa efa nampahafantarina an’ity raharaha ity ny tompon’andrikitra mahefa eto amin’ny firenena. Dia miandry izay ho valin’izany ireo very fananana.
r.s.