- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSahambala : Trano 58 may, jirofo 25 taonina lasa lavenona…

Sahambala : Trano 58 may, jirofo 25 taonina lasa lavenona…

Nandritra ny tsy naha tao an-tanana ny ankamaroan’ny olona, fa namonjy ny famboleny sy fiompiany, io ilay antsoin’ireo tambanivohitra eto Toamasina hoe “lasa any anaty ala”, dia nitrangana hain-trano goavana tamin’ity fokontany iray tao amin’ny kaominin’i Sahambala Toamasina II ity, ny zoma teo.Avy hatrany dia tam-bovonana ny afo noho ny fahamainan’ny andro, ny fitaovana fanamboarana ny trano izay vokatry ny tany sy mora mirehitra avokoa, ary nanampy trotraka izany koa ny rivotra nitsoka ny zoma teo nitrangan’izany. Tsy manana sampana mpamono afo ny kaominina, ny ezaky ny fokonolona izay hany teo an-tanàna no niezaka namono ny afo sy namonjy ireo mbola tsy may, tamin’ny fandravana ireo trano nifanakaiky mba tsy hiitaran’ny afo, sy nanondraka rano ireo trano efa nirehitra. Ora dimy taorian’izay vao voafehy ny afo, saingy efa trano 58 no kila forehitra, trano am-polony koa no voatery noravana, maro tao anatin’izany ny fananana may isan’izany ireo jirofo 25 taonina lasa lavelonana vao avy novidina sy nokasaina hamidin’ny tompony eto Toamasina amin’ity herinandro ity, izay mitentina 750.000.000 ariary tao amin’ity fivarotana sy mpanangom-bokatra isan’ny ngeza ao Sahambala Toamasina II. Voalaza ny vaovao, fa ny famonoana ity jirofo ity no tena olana tamin’ny mponina satria 24ora vao tena maty tanteraka ny afo taminy. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Raha ny fanazavana, dia afo tsy voatandrina tao amina tokantrano iray izay ankizy no nahandro, fa lasa tany an-tsaha ny ray aman-dreniny no niandohan’ny afo. Afovoan-tanàna no misy azy ireo ka mora tamin’ny afo ny nifindrafindra noho ireo trano mifanakaiky sy vita amin’ny fitaovana mora mirehitra…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici