- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversSaika nivadika fitsaram-bahoaka : Ramatoa maty notetehim-badiny tamin’ny antsy

Saika nivadika fitsaram-bahoaka : Ramatoa maty notetehim-badiny tamin’ny antsy

Tsy nananan’ilay rangahy antra ity vadiny fa novonoiny tamin’ny fomba feno habibina, tany Andrahanana, kaominina Ambanizana, distrikan’i Maroantsetra, ny alin’ny asabotsy teo. Araka ny vaovao avy eo anivon’ny zandarimaria, dia rangahy iray no nitetika ny vadiny tamin’ny antsy be. Voalaza fa notapahiny ny tanam-badiny, nofirainy ny lohany, notriariny ny vatany iray manontolo ary notaperiny ny ainy. Nisy naheno ny trangan-javatra ka niantso vonjy. Nosamborin’ny andrimasompokonolona tao Maroantsetra izy ary naterina tany amin’ny borigadin’ny zandarimaria any an-toerana. Vokatr’ity habibiana ity anefa, rehefa niely ny vaovao, dia tezitra ny fokonolona ka nikasa ny hamaly faty hamono azy. Efa teo am-pelatanan’ny zandary ilay nahavanon-doza ka tsy afaka nanao na inona na inona ireo olona marobe. Ny tranon’ilay andrimasompokonolona sy ny sefom-pokontany indray no kasain’ireo fokonolona hodorana noho izany. Mbola nitohy ny savorovoro any an-toerana tamin’ity herinandro ity ka tonga nandamina ny toe-draharaha mba hisian’ny marimaritra iraisana ny avy ao amin’ny OMC. Raha ny vaovao farany dia miverina amin’ny laoniny ny filaminana any an-toerana.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici