
Efa niantso vonjy ary niery tao an-tranon’ny olona rehefa nitsoaka. Feno olona teo an-tokontany ary tena romotra ireo. Izany no nanjo ny tarika Dimitri 5.5.5 tany amin’ny fokontany antsoina hoe Vohilengo, ao amin’ny faritra Analanjirofo, tsy mifanalavitra amin’Ampasina Maningory. Ny antony dia tezitra ny olona noho ny fanamafisam-peo tsy nanjary ary koa ny kalitaon’ny fampisehoana izay nosimbain’ny lafiny teknika. Tsy feno ny fitaovana fitendrena mozika ary lasa nandeha ila. Ny fanamafisam-peo rahareo tsy tomombana hatramin’ny voalohany. Vokany, tsy nisy nandeha tamin’ny laoniny ny fampisehoana. Tezitra ny mpijery ary saika nivadika fitsaram-bahoaka ny raharaha. Nitsoaka hatramin’ny tarika ary ny mpikarakara ny lanonana koa dia nanjavona tanteraka. Tamin’ny facebook no niditra mivantana i Dimitry ary nanao antso vonjy ny mba handefasana mpitandro ny filaminana faran’izay haingana mba hiarovana ny ain’izy ireo. Mba tonga tokoa ny antso ary ny polisy monisipaly no nanala azy ireo teo an-toerana. Endrika iray ity tranga ity fa mety tezitra ny olona rehefa mandoa vola kanefa tsy mifanaraka amin’ny kalitao handrasan’izy ireo ny vokatra. Mbola endrika iray koa ity fa manjaka ny fisolokiana ao anatin’ireny fikarakaràna lanonana ireny. Farany dia mbola tsy matihanina ny artista maro eto amintsika. Raha tena nitaky kalitao mantsy dia tonga aloha ary nanao fanandramana mialoha ny fampisehoana. Tsy voalohany no nisy ny tranga toy izao ary tompon’andraikitra hatrany ny mpikarakara.
D.R



Spécialité malagasy : SONO RATSY !!!
: on ne manifeste pas sa COLÈRE
: ON TUE !!!!!!!!
: C’est GRAVE QUAND MÊME !!!