Tonga marobe ireo olona. Tonga, saika hanampatra ny hatezerany tamin’ity lehilahy iray nahavanon-doza, namono nahafaty zazavavikely iray tamin’ny alalan’ny fanolanana tao Toliara tao.
Zava-doza, mampihoro-koditra, mahatsiravina, mampahonena, no nitranga tao an-drenivohitr’i Toliara tao, tao amin’ny tanana antsoina hoe Tanambao Montombe. Zazavavikely tsy manan-tsiny iray, vao roa taona monja no namoy ny ainy, rehefa avy naolana lehilahy iray tsy valahara tao an-tranony omaly. Maty tsy tra-drano ity anjelikely ity, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana, tsy nahazaka ny herisetra nianjady taminy. Raha ny vaovao voaray hatrany dia olona nahatokisan’ny fianakaviany, hiambina azy ity nahavanon-doza ity. Namana akaikin’ny rainy io lehilahy io. Tamin’io fotoana io dia tsy teo ilay rain-jaza ary ity olona ity no mba niangaviana hiambina an’ilay zaza, kanjo habibiana tsy roa aman-tany no nampihariny tamin’ilay zaza, niafara tamin’ny famoizany ny ainy. Tsy afa-niala ary tratra teo ho no eo ihany moa ilay lehilahy. Niely sy niparitaka toy ny tsy teo ny vaovao ary vetivety ihany dia rakotra olona vinitry ny hatezerana ilay toerana. Tao moa ireo nitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka ity olo-tsy vanona ity ary toa hoe efa saika raikitra mihitsy izany, raha tsy tonga haingana ireo tompon’andraikitry ny tanana sy ny mpitandro filaminana, niezaka nandamina azy ireo. Nilamina ihany ny toe-draharaha nony kelikely ary nentina natao famotorana ilay nahavanon-doza, araka ny fampitam-baovao hatrany. Saika manerana ny Nosy mihitsy tokoa ity firongatry ny trangana fanolanana ity tato ho ato izay. Ny tena loza dia saika isan’andro dia hahenoana tranga foana. Fantatra fa efa misy paik’ady ataon’ny Fitondràna, hiadiana amin’izany resaka herisetra ara-nofo izany. Herisetra izay efa nampitondra faisana sy takaitra zaza amam-behivavy am-polony maromaro tao anatin’ny volana vitsivitsy monja.
m.L