- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversSainte Marie - Analanjirofo : Nanomboka ny « festival des baleines »

Sainte Marie – Analanjirofo : Nanomboka ny « festival des baleines »

Nanditra ny fitsidihana ireo fasan’ireo jiolahin-tsambo, tao anatin’ny « circuit des pirates ».

Ny sabotsy lasa teo no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « festival des baleines 2023 » tany Sainte Marie, faritra Analanjirofo. Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, notronin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, ary ny goverinoran’ny faritra, ny Dr Marcellin Randriamanantena. « Tsara tatô be Sainte Marie » no lohahevitra hampisongadinana ity hetsika ara-kolontsaina sy ara-pizahantany ity. Nisy ny « carnaval » natao eran’ny tanàna, nandraisan’ny fokontany 17 tao an-toerana sy mpandraharaha maro anjara. « Mpizaha tany maro no andrasana ho tonga any an-toerana amin’izany. Tombony manokana ny nanaovana ny seranam-piaramanidina Ravoraha ho iraisam-pirenena. Hojerena manokana ihany koa ny lafiny fitaterana an-dranomasina », hoy ny goverinora. Marihina fa mpizaha tany manodidina ny iray tapitrisa mahery eo ho eo no tombanana ho avy, hatramin’ny taona 2028. Efa tratra ny antsakak’io tarehimarika io ny taona 2019, saingy nidina be izany noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19. Tsy azo atao ambanin-javatra, araka izany, i Ste Marie, noho ity nosy ity mahasarika mpizaha tany sy mampiditra vola vahiny.

Fa ao anatin’izay lafiny ara-pizahantany sy ara-kolotoraly izay dia notokanan’ny Filoha sy ireo delegasionina niaraka taminy, tamin’io andro io ihany koa ny « Circuit des Pirates », izay misy anankiroa, ny « circuit Terra » sy ny « circuit Aqua ». Fitsidihana ireo toerana nandalovan’ireo jiolahin-tsambo nalaza fahizay ary misy ny fasan’izy ireo.

Ankoatra izay, eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa, hisian’ny fampandrosoana, dia natomboky ny Filoham-pirenena tamin’ny fomba ofisialy ny fanamboarana sy ny fanarenana ny lalana mirefy 51km ao an-tampon-tanànan’i Ste Marie. Naneho fankasitrahana sy fampaherezana ny Filoha amin’ny ezaka rehetra ataony amin’ny firenena, indrindra moa fa any amin’ny faritra Analanjirofo ireo mponina.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici