- Publicité -
jeudi, août 7, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSainte-Marie : Artista nosamborina teo am-panaovana “clip”

Sainte-Marie : Artista nosamborina teo am-panaovana “clip”

Ny herinandro nivalona iny, dia nahitana vaky trano nahaverezana fitaovana fanamafisam-peo sy solosaina maromaro ary firavaka samihafa tao Sainte-Marie. Tsikaritry ny tompon-trano ireo tovolahy telo nanao izany ka raikitra teo ny fitoriana teo anivon’ny polisy tany an-toerana.

Vao naharay ny fitoriana ny polisy, dia nanokatra fanadihadiana sy fisamborana, ka voasambotra tamin’izany ireto tovolahy roa tamin’ireo telo tao Sainte-Marie. Raha natao ny fanadihadiana azy roa lahy dia izy ireo no nanondro ity namany iray antsoina hoe Stephan izay mpanakanto mpihira fantatra iny faritra Analanjirofo iny, izay efa tsy hita tao Sainte-Marie tamin’io fotoana io, fa efa nandray vedety nihazo an’i Toamasina. Tsy niandry izany anefa ny polisy tany an-toerana, fa natao ihany ny fakana am-bavany ireto efa voasambotra ka ny talata teo no niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny raharaha, ka nahazaon’izy roa lahy namaky trano tao Sainte-Marie ireto famonjana vonjimaika. Saingy ny tsy nampoizina fa teo am-panaterana azy roa lahy hiazo ny fonja ben’i Toamasina nandeha an-tongotra ny polisy avy any Sainte-Marie, no tsikaritra ireto namany niara-namaky trano taminy sy ilay tratry ny vaky trano variana manao “Clip” teo amin’ny toerana malalaky ny lapan’ny tanana i Stephan efa nifampitadiavana ka nosamborim-potsiny teo am-panodinana ny raki-tsary ny hirany vaovao.

Raikitra avy hatrany ny fakana am-bavany azy, ny talata nitohy ny alarobia, ka omaly alakamisy no niakatra teo anivon’ny fampanoavana sy mpitsarana mpanao famotorana, izay nahazoany famonjana vonjimaika omaly alakamisy nanaraka ny namany roa lahy naiditra ny fonja ny talata…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici