- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversSainteMarie : Delestazy, saika norotahan’ny olona ny Jirama

SainteMarie : Delestazy, saika norotahan’ny olona ny Jirama

Tezitra ny olona satria nitontona tanteraka tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona ny fahatapahan-jiro. Ny alin’ny talata hifoha alarobia, ao anatin’ny ’révéillon” no voatery nanao fety tao anaty maizina I Sainte-Marie. Nivoaka ny trano ny maro ary nirohotra nankeny amin’ny biraon’ny Jirama tao an-toerana. Novazavazain’ny olona ny mpiasa tao. Niakatra ihany hafanana ary tonga hatramin’ny saika hanapitsohana ny vavahadin’ny Jirama, raha araka ny tatitry ny mpitandro ny filaminana. Voatery nampandrenesina ny Emmo-Reg tao an-toerana izay nidina nanao ny fanaparitahana ny olona. Tao ny niandry ary tao koa ny niala teo an-toerana avy hatrany. Na teo aza anefa izany dia tsy nampiverina ny jiro tao an-tanàna mihitsy. Vokany, nandihy tsy misy mozika ary tao anaty maizina ny olona. Isan’izany ireo mpizaha tany izay mba nanapa-kevitra ny hanao ny fetin’ny farany taona any Sainte-Marie, nandany vola. Kinanjo dia lasibatry ny delestazy ihany koa. Raha tsiahivina dia vao tamin’ny herinandro lasa teo koa no nisy delestazy tao Toamasina ka nitarika ny hatezeran’ny mpianatry ny oniversite. Nodoran’ireo farany ny birao roa karazany tao Barikadimy ary notorahim-bato ihany koa ny fiara mpitatitra nandeha teny amin’ny lalam-pirenena. Ireo tranga roa ireo dia efa manazava fa tsy misy faly amin’ity fahatapahan-jiro lavareny ity ny rehetra. Manginy fotsiny koa ny fandoavam-bola mihoam-papana izay tsy voaporofo tsara intsony ny antony satria miova isaky ny mandeha ny vidin-jiro sy ny hetra mifanaraka amin’izany…

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser