Ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady teo, dia nisy namaky ny fiangonana katolika ao Sainte-Marie, ka lasan’ny olon-dratsy tamin’izany ny fanamafisam-peo rehetra, toy ny « Baffle », « Table mixeur », « Ampli », . . . Tsy vitan’izay fa mbola naparitak’ireo tsy mataho-tody eraky ny trano ny Ostie (mofo masina vatan’ny Kristy). Raha ny vaovao voaray, dia fanindroany ity Eglizy voalohany teto Madagasikara ity no nisy namaky, ka tamin’ny voalohany dia lakolosy no nalain’ireo jiolahy. Hatreto, araka ny tati-baovao azo hatrany, dia mbola tsy misy olona tratra na voarohirohy tamin’izao fandrobana sy fametavetana tranon’ Andriamanitra izao. Raha ny fantatra, dia mitohy hatrany ny fikarohan’ny mpitandro filaminana an’ireo mpanao ratsy.
Eric Manitrisa