- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversSainte Marie: taorian’ny raharaham-pitsarana : Notsenain’ny vahoaka tamin’ny fomba niavaka ireo efatra...

Sainte Marie: taorian’ny raharaham-pitsarana : Notsenain’ny vahoaka tamin’ny fomba niavaka ireo efatra mianadahy

Notsenaina tamin’ny fomba miavaka ireo efatra mianadahy.
Notsenaina tamin’ny fomba miavaka ireo efatra mianadahy.

“Masina ny Nosy Boraha, ka miboaka ny fahamarinana, mankasitraka”, isan’ireo sora-baventy narantin’ny vahoaka tao Sainte Marie, nitsenana ireo “zanaky ny nosy” avy niatrika ny fiakaran’ilay antontan-taratasin’ady momba ilay vono olona  niseho tany an-toerana telo herinandro lasa izay.

Taorian’ny fiakaran’ny raharaha teo anivon’ny tonia mpampanoa lalàna  sy ny mpitsara zokiolona mpanao fanadihadiana teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina mantsy, dia noafahan’ny fitsarana izy efatra mianadahy tafiditra tamin’izao raharaha izao, noho ny voalaza fa “tondro molotra” nahazo azy ireo. “Niady mafy izahay nandritra ny 10 andro niazonana azy ireo teo anivon’ny mpitandro ny filaminana mpanao fanadihadiana, niezaka nitondra ny fahamarinana taty aminay niarovana ireto zanakay, nefa tsy nisy nihaino afa-tsy ny fitsarana ihany”, hoy ireto vahoaka nilaza ny heviny. “Manameloka iny vono olona iny izahay, tsy fomban’ny Sainte-Mariens ny mamono olona tahaka ireny nefa nitranga izy iny, ka maniry ny hahitana ny marina sy  nahavanona iny izahay”, hoy hatrany izy ireo namoaka ny fahitany ny raharaha vono olona feno habibiana tao Sainte Marie ny 21 aogositra teo iny.

Isan’ny nitondra ireo olona nitsena ireto “zanaky ny nosy” noafahan’ny fitsarana tamin’ny raharaha famonoana ireo frantsay roa  ny solombavambahoaka ao Sainte Marie, Tsivoulagne Maximin, ary teo amin’ny seranan-tsambon’i Barachois no nanomboka ny hetsika, hatrany amin’ny tanàna misy  azy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici