“Nilamina amin’ny ankapobeny ny asaramanitra teto Sainte-Marie, na teo aza ireo lozam-pifamoivoizana samihafa vokatry ny hamamoana, fa tsy nisy ny aina nafoy”, hoy ny Kaomisera Lapely ao Sainte-Marie, raha nanazava ny zava-nisy, ny Asaramanitra tany an-toerana ny tenany. Efa tao anatin’ny taona vaovao vao niseho ny tranga na fanantonana ny tendany tamin’ny fehikibony nataon’ity tovolahy mpiambina sivily eo anivon’ity orinasa iray manao izany asa izany any an-toerana, noho ny olana teo amin’ity tovolahy vao 24 taona ity sy ny fofombadiny. Teo koa ity fiara mpitatitra (mini-bus) iray ; izay nisy nandoro tao amin’ny fokontany Ambatorao Sainte-Marie.
Isan’ny taona “mainty” ho an’i Sainte-Marie ihany koa iny taona nivalona iny. Nisy 6 ireo teratany vahiny maty sy nisy namono ary namono tena tany an-toerana, tamin’iny taona 2016 iny. Teo ilay teratany frantsay 53 taona nilaozam-badiny tany Fenoarivo atsinanana namono tena, tao an-tranony tao Vohilava. Ny famonoana an’i Romain sy Magalie tao Vohilava hatrany tamin’ny fomba nahatsiravina, ka mbola hitazonana am-ponja olona 5 raha nahazo fahafahana vonjimaika ilay tera-tany frantsay sy ilay tale na banky. Teo koa ity teratany Aotrisiana 70 taona izay nokaikerin’ny alikany tao Vohilava ihany koa raha nitondra ireto alikany roa nitsangantsangana. Teratany vahiny 60 taona iray ihany koa maty an-drano tao “Ile aux Nattes” tao anatin’ny hamamoany, nefa roa andro dia nifarana ny fialan-tsasany tao Sainte-Marie; ary teo ity teratany frantsay 74 taona no tratry ny famoizam-po tao Antsiraka, saingy monina ao Sainte-Marie “Belle Vue” noho ny aretina homamiadana nikiky azy. Ankilan’izay dia nahitana teratany malagasy, rangahibe 70 taona namono tena noho ny famoizam-pony tamin’ny tsy firaharahian’ny zanany sy ny zafikeliny azy ihany koa tany an-toerana ny taona 2016.
Ankoatra izay, ho fanamafisana ny filaminana ao Sainte-Marie, dia mangataka ny hametrahana tobi- na mpitandro ny filaminana ao “Lounkitsy” ny Kaomisera Lapely, satria vavahady fidirana ny nosy Sainte-Marie izy io nefa baranahany be ka sarotra ny manara-maso ireo misafidy ny hiditra any…
Malala Didier