- Publicité -
mardi, juillet 29, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSainte-Marie : Tsy voaolana ilay vazaha

Sainte-Marie : Tsy voaolana ilay vazaha

Nentina tao amin’ny hotely lehibe iray ireo vazaha roa izay maty nisy namono ny faran’ny herinandro teo ary hita teny amoron-dranomasina.  Ao no hivantanan’ny fianakaviany izay vao nafarana hijery sy haka ny razana. Novonoina tamin’ny zavatra mafy, mety ho hazo na vy, ny tenan’izy ireo, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny nanatri-maso. Tsy nisy ihany koa ny fanolanana ilay vazaha vavy izay hita niboridana, raha araka ny tombana avy amin’ny fitsirihana voalohany ny razana. Na izany aza anefa dia mbola tsy natao ny “autopsie” raha araka ny vaovao avy ao Sainte-Marie hatrany. Izany dia noho ny tsy fisian’ny enti-manana ho amin’izany. Momba ity tranga ity hatrany dia fantatra koa fa tsy noho ny halatra no antony namonoana azy roa. Tsy nisy nipika ny entana teny amin’izy ireo. Mbola misitery izany hatreto ny anton’ity famonoana tanora roa izay teratany frantsay ity. Nidina tany an-toerana ny Consul de France izay miandraikitra an’iny faritra iny ary nizaha ifotony ny zava-nisy. Raha ny fantatra ihany koa dia misy mpanao gazety vahiny maromaro mety hidina any an-toerana ary hanara-maso ny fizotry ny raharaha. Hamono indray ny fihariana amin’ny fizahan-tany ity tranga ity, indrindra koa ao anatin’ny vanim-potoana fahatongavan’ny vahiny maro manomboka amin’ity volana ity. Nanome baiko hentitra ny lehiben’ny governemanta ny amin’ny hanafainganana ny fanadihadiana ary handrasana ny mety ho vokatr’izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici