- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversSainte-Marie : Vazaha nitondra môtô nivarina tanaty rano, vaky loha, maty tsy tra-drano

Sainte-Marie : Vazaha nitondra môtô nivarina tanaty rano, vaky loha, maty tsy tra-drano

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray, tany amin’ny Distrikan’i Sainte-Marie, ny alin’ny alahady hifoha  alatsinainy, tokony ho tamin’ny 12 ora sy 10 minitra, ka lehilahy teratany vahiny iray 30 taona nitondra môtô, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe : « Mathieu Vazaha » no namoy ny ainy. Raha ny vaovao voaray, tra-doza teny an-dàlana ny « moto cross » notaingenan’ ity teratany vahiny ity, ka nivadika avy teny ambony tetezan’ny « Ilot madame », ary nivarina tany anaty rano avy teo. Nidona mafy  tamin’ny vatobe ny lohany, ary vaky ny handriny, ka maty tsy tra-drano ity teratany vahiny tanora mbola erotrerony ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici