Nitrangana vono olona tamin’ny fomba feno habibiana indray tany amin’ny Distrikan’i Sainte-Marie, ny asabotsy teo, ka vehivavy iray antsoina hoe : Saraléa Brigitte no nisy namono tao Sahamerina Fokontany Agnalaradjy. Raha ny vaovao voaray, tokony ho tamin’ny sivy ora sy fahefany tany ho any no hita faty tsy nisy loha intsony ity vehivavy ity. Hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra, raha ny tati-baovao voaray farany, dia mbola teo am-pikarohana ny lohan’ity vehivavy novonoina tamin’ny fomba mamohehitra ity sy ireo nahavanon-doza ny mpitandro filaminana any an-toerana, nampian’ny Fokonolona. Raha ny fanazavana azo hatrany : « Distrika nilamina i Sainte-Marie teo aloha, nefa noho ny firongatry ny asa ratsy sy ny fisesisesin’ny vono olona nahazo laka tato ho ato, dia lasa miaina ao anaty horohoro ny ankamaroan’ny olona aty aminay ankehitriny, ka anaovanay vahoaka aty an-toerana antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa ».
Eric Manitrisa