Nanazava ny fizotry ny fanadihadiana sy ilay raharaha famonoana teratany frantsay roa tany Sainte-Marie, ny prefe any an-toerana Atoa Ralava Simon Christopher. Valan-dresaka nataony taorian’ny fihaonan’ny “OMC”, komity misahana ny filaminam-bahoaka, tao Sainte-Marie izay nandinika ny fizotry ny toe-draharaha, sy ny fisian’ny tsy fahafalian’ny vahoaka izay mety hisian’ny fidinana an-dalam-be.
Fitiliana “ADN”. “Manaraka akaiky ny fizotry ny raharaha ny tenako; efa vita avokoa izao ny fanadihadiana natao ho an’ireo olona 9 voarohirohy tamin’ity raharaha vono olona ity. Ny olana izao, dia ny fitondrana ny antontan-taratasy sy ireo olona voarohirohy ireo eo anivon’ny fitsarana Toamasina, noho ny faharatsian’ny andro miteraka faharatsian’ny ranomasina”, hoy Atoa Ralava Simon Christopher. Nohamafisin’ity prefen’i Sainte-Marie ity hatrany, fa isan’ny anton-dian’ireo zandary frantsay roa avy ao La Reunion iraky ny fitsarana frantsay tonga tao Sainte-Marie, ny fakana ny “ADN” -n’ireo voarohirohy, satria hisy ny fakana izany ho an’ireto teratany frantsay roa maty, any Frantsa. Ho fitadiavana ny marina no antony, miara-miasa rahateo ny fitsarana malagasy sy ny frantsay amin’ity raharaha ity.
“Festival Tsolabe”. Taorian’ny “festival des baleines” izay niarahana tamin’ny Cetamada niasan’ilay teratany frantsay vavy maty iny ny volana jolay teo, dia nanomboka omaly kosa ny “festival Tsolabe” mikasika ny trozona ihany; izay andiany faha-8 ny amin’ity taona ity. Noho ny zava-misy any an-toerana amin’ny tsy fahafalian’ny vahoaka amin’ireo “zanaky nosy” voarohirohy amin’ity raharaha vono olona ity izay mikasa ny hidina an-dalam-be, sy ho fiarovana ireo hiatrika ity “festival Tsolabe” ity, dia nohamafisina ny fiambenana ny toerana hisian’ny hetsika, indrindra ny ao Lokintsy izay vavahady fidiran’ny olon-dratsy hoy hatrany ny prefen’i Sainte-Marie Ralava Simon Christopher. Ny alahady 4 septambra ho avy izao vao hifarana ao Sainte-Marie ity “festval Tsolabe” ity.
Malala Didier