- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversSainte Marie : Zaza 4 taona maty, olona roa narary mafy noho...

Sainte Marie : Zaza 4 taona maty, olona roa narary mafy noho ny fihinana trondro hafahafa

Zaza efa-taona monja indray no namoy ny ainy rehefa avy nihinana trondron-dranomasina hafahafa tany Sainte Marie, ny alahady 31 jolay lasa teo. Raha zohina ny zava-nisy, fianakaviana mpanjono iray, ao amin’ny fokontany Vohilava, Kaominina sy distrikan’i Sainte Marie, no nahatratra trondron-dranomasina atao hoe « Voalavondrano » rehefa avy niandriaka an-dranomasina. Tsy nisy fisalasalana kely akory fa avy hatrany ity biby ity dia nohanin’izy ireo. Nitarika aretina ho azy mianakavy kely anefa ny fihinanan’izy ireo izany. Olona telo, izay zaza vao efa-taona monja ny iray, no narary mafy noho izany. Noentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly ireto farany hahazo ny fitsaboana sahaza azy. Avotra soa aman-tsara ihany ireo olon-dehibe fa ilay zaza kosa, fotoana fohy monja taorian’ny nitsaboana azy, dia nindaosin’ny fahafatesana. Efa nidina teny an-toerana nanao ny famotorana ny zandary avy ao amin’ny Borigady Sainte Marie. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana. Etsy ankilany, tsy nikely soroka ireo zandary narahan’ireo tompon’andraikitry ny Fahasalamam-bahoaka samihafa nanentana ny vahoakan’i Sainte Marie ny amin’ny tsy tokony hihinanana intsony ity karazana trondron-dranomasina ity sy ireo sakafo hafa tsy azo antoka mba hitandroana ny fahasalaman’ny tsirairay.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici