Raim-pianakaviana iray sahabo ho 35 taona no naratra mafy ary niboraka tsinay notsondromin’ny vadiny ny antsy teo amin’ny kibony, afakomaly alina, tany amin’ny tanàna iray any Mahaboboka, distrikan’i Sakaraha. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia resa-bola 25 000 ariary nomen-drangahy ny vadiny faharoa no fototry ny olana teo amin’ireto mpivady mpiady lava ireto. Tsy nijanona ho fifamaliana am-bava intsony ny raharaha teto, fa niafara tamin’ny tsindrona andry. Tsy nahazaka taim-bava ilay ramatoa (akohovavy maneno) ka lasa nitady antsy tany an-dakozia. Nihevitra ilay rangahy nanoloana an’io fa fandrahonana fotsiny no nakany ilay antsy, kanjo tsy tapitapitr’izay avy hatrany dia notrobarany teo amin’ny kibony ilay raim-pianakaviana.
Eric Man