- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Ady tany, lehilahy iray naratra mafy voafira famaky

Sakaraha : Ady tany, lehilahy iray naratra mafy voafira famaky

Ady lova tany teo amin’ny mpihavana an-taonan’ny maro no nivadika ho sakoroka sy rà nandriaka ny alatsinainy naraina teo, tany amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mahaboboka, distrikan’i Sakaraha. Raim-pianakaviana iray naratra no mafy voafira famaky teo amin’ny lamosiny, ny tratrany, ary ny ilan-kibony havia, ka torana tsy nahatsiaro tena noho ny fahaverezan-drà be loatra, ary mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao, rangahy 45 taona. Araka ny vaovao voaray dia nifamaly vao maraina ireto mpihavana ka nivadika fifanjevoana niafara tamin’ny sakoroka izany. Tsy naharesy tosika ny iray ka nandeha naka famaky ary avy eo niditra an-keriny tao amin’ny trano nisy ilay lehilahy niady taminy, ary namono azy tao.  Nitsoaka nandositra ny nahavanon-doza rehefa vita ny asa ratsiny ka nifanenjehan’ny fokonolona tany anaty kirihitr’ala, kanefa tsy tratra. Amin’ny trangam-piaraha-monina nandatsahana rà tahaka izao, amin’iny faritra Atsimon’ny nosy iny, dia atahorana ny valifaty raha tsy voalamina haingana amin’ny alalan’ny kabary ambany kily (raharaham-pihavanana), satria ny ankamaroan’ny olona niharam-boina sy ny fianakaviany dia tsy mitory any amin’ny mpitandro filaminana na any amin’ny fitsarana, fa manao « maso solon’ny maso ».

Eric Man

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser