- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Ankizivavy 13 taona sembana ara-tsaina, naolan’ny dadatoany

Sakaraha : Ankizivavy 13 taona sembana ara-tsaina, naolan’ny dadatoany

Tovovavikely 13 taona, manana olana ara-tsaina no voalaza fa naolan’ny dadatoany, ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata teo, maneno akoho faharoa (manodidina amin’ny 3 ora maraina), tany Sakaraha. Resi-tory ity zazavavy kamboty ray sy reny ity, izay mipetraka amin’ny renibeny, ka nanararaotra nanao ny filan-dratsy ara-nofo mamohetra taminy ity anadahin-dreniny avy any ambanivohitra sendra nivahiny tao. Taitra tamin’ny torimasony noho ny zava-nihantra taminy ilay tovovavy, ka niezaka nanohitra an’ilay dadatoany, kanefa efa nofatoran’ity farany ny tongotra aman-tanany, ary voatapina ihany koa ny vavany tsy nahafahany niantso vonjy sy nikiaka. Noho ny naraina ny andro dia nitantara ny nanjo azy tamin’ny renibeny mitaiza azy razazavavy. Ilay lehilahy nanolana kosa tsy hita izay najavonany, ka mbola karohina fatratra amin’izao, raha ny vaovao voaray.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici