Tovovavikely iray vao 13 taona monja bevohoka no teraka kambana telo mianadahy, afak’omaly alina, tany Sakaraha. Salama tsara ny zaza amin’izao, na dia mbola hita fa reraka noho ny fahasarotana teo am-piterahana aza ny reniny. Rehefa taitra tamin’ny fandoran’ireo dahalo dimampolo ny tanànan’ Ankaboka, ka trano 500 tafo mahery no lasa lavenona, tao amin’ny Fokontany Berobotsy, ny alin’ny alahady teo, raha ny nambaran’ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambanivohitry Andranolava, Barnabé Justin Razafimahaleo, dia nitsoaka nanavotra aina haingana tany amin’ny fianakaviany tany Sakaraha ity tovovavy nitondra vohoka niaraka amin’ny reniny, ary rehefa tonga tany dia teraka soa aman-tsara. Araka ny tati-baovao marim-pototra voaray, dia malaso iray raindahiny zanaky ny lehiben-dahalo antsoina hoe Marijamana izay nanafika tao an-tanànan’ Ankaboka, ny volana novambra 2016, no nanolana sady nanao takalon’aina vadikely an’ity tovovavikely, ka nitoe-jaza ity farany. Rehafa niandry kibo hiteraka ity tovovavy ity dia naverin’ity dahalo tany amin’ny ray aman-dreniny tao Berobotsy, ny tapatapaky ny volana jolay teo. Ny alin’ny alahady teo anefa, niverina nanafika tao an-tanànan’ Ankaboka indray ireto dahalo, ka maty lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tamin’izany ny dahalo telo, ka anisan’izany ny zanak’i Marijamana nahabevohoka an’ity tovovavy ity, rain’ireo zaza kambana telo mianadahy vao teraka, raha ny fanazavana azo hatrany.
Eric Manitrisa