- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversSakaraha : “Camion” nivadika, mpianatra telo maty, olona 17 hafa naratra mafy

Sakaraha : “Camion” nivadika, mpianatra telo maty, olona 17 hafa naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray tany Sakaraha ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora maraina. Fiara vaventy iray mpitatitra entana mampitohy an’i Beroroha sy Toliara no fantatra fa niharan-doza, 8 km miala an’ity distrika ity. Vokatr’izany, olona telo mpianatra no indray maty tsy tra-drano  ary mpandeha miisa 17 hafa naratra mafy, ka dimy amin’ireo miady amin’ny fahafatesana, manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Sakaraha avokoa.

Araka ny loharanom-baovao voaray dia avy naka entam-barotra tany Toliara ilay kamiao tamin’io fotoana io ary rehefa handeha hitodi-doha hihazo an’Ankazoabo iny indrindra izy ireo no niharan-doza raha vao dify tsy lavitra akory an’i Sakaraha. Ny loharanom-baovao hatrany no nilaza, fa mitotaly hatrany amin’ny sivy taonina ny entana nentin’ity fiara ity, ka izay havesarana tafahoatra izay no isany nitarika ny loza, teo ihany koa ny taingim-be tamin’ireo mpandeha tao anatiny. Vokatr’izay tsy fifandanjana izay indrindra dia nivadibadika indroa ilay fiara raha vao somary nananika fiakarana, raha ny nambaran’ny mpamily izay isan’ny nieren-doza tamin’ity voina nitranga ity.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser