- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversSakaraha : Dahalo enina voatifitra, dimy hafa azo sambo-belona

Sakaraha : Dahalo enina voatifitra, dimy hafa azo sambo-belona

Nirefotra indray basy tao Sakaraha nandritra ny fanafihan-dahalo mahery vaika ny herinandro iny. Dahalo 60 lahy no nanafika sy nandravarava tao Bekapaiky. Omby an-jatony no voaroba. Raha vao niditra ny tanàna ireo malaso dia nanapoaka basy ka tsy nisy sahy nivoaka ny trano nanohitra ny mponina. Lasa ora vitivitsy ireo dahalo vao nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana tamin’ny roa tonta avy eo. Vokany, dahalo iray no fantatra fa maty nandritra izany ary roa hafa kosa azo sambo-belona niaraka tamin’ny basim-borona. Ny alakamisy teo vao nahazo fampitam-baovao mahakasika ity fanafihana ity ny zandary tany an-toerana, ka nandray ny andraikiny avy hatrany nidina ifotony. Nandritra ny fisafoana natao teo an-tanàna dia dahalo roa no voasambotra. Tsy nanaiky lembenana tamin’ny fisamborana ny namany ireo dahalo ka naka an-keriny tompon’omby iray teo an-tanàna natao takalon’aina ary sahy nihantsy ireo zandary fa vonona hifanandrina mivantana amin’izy ireo. Ny androtr’io ihany dia raikitra ny fifampitifirana, niala kely ny tanàna. Dahalo dimy no maty voatifitra, telo azo sambo-belona niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana, ny ambiny 50 kosa tafaporitsaka mbola karohina. Tafaverina soa aman-tsara amin’ny tompony kosa ny ampahany amin’ireo omby very, hoy ny loharanom-baovao voaray.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser