- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Dahalo mitam-basy nandroba omby, maty voatifitra

Sakaraha : Dahalo mitam-basy nandroba omby, maty voatifitra

Ela nanaovan-dratsy ka sendra ny nahay azy. Malaso raindahiny iray ikoizana amin’ny halatr’omby sy fandrobana arahina fanolanana any amin’ny Distrikan’i Sakaraha no maty voatifitra, afak’omaly alina, nandritra ny fanafihan-dahalo nitranga tao amin’ny Fokontany Antsokay. Raha ny vaovao voaray, in-telo notafihan’ny dahalo nitam-piadiana nisesy ity tanàna ity, tao anatin’ny herinandro, izay nahalasana omby tao am-bala hatrany, ka niray hina ny mponina niambina ireo mpandroba. Ny asabotsy alina io, dahalo tsy latsaky ny folo nitondra basy sy lefona ary famaky no nandroba tao Antsokay. Iny saika hamoaka ny omby tao anaty vala iray iny ireo malaso izay niravaka mohara no tonga dia notifirin’ny tompon’omby, ka dahalo tanora erotrerony iray manodidina ny 22 taona eo no maty. Vao nahita ny namany lavon’ny bala ireo mpandroba, dia nitsoaka nandositra avokoa. Raha ny fanazavana azo hatrany, tsy nampoizin’ireto dahalo zatra ny làlan-dririnina ireto, fa efa niandry mafy azy ireo tao anaty haizina ny Fokonolona teo an-tanàna. « Tsy nandaitra tamin’ity indray mitoraka ity ireo karazana  ody gasy mahery tsy laitram-bala, izay ireharehan’ireo malaso fatratra », hoy ny mponina.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici