- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Dahalo nangalatra ny ombin’ny ben’ny tanàna, matin’ny fokonolona

Sakaraha : Dahalo nangalatra ny ombin’ny ben’ny tanàna, matin’ny fokonolona

Matin’ny fokonolona ny zoma lasa teo  Rebaly, lehiben-dahalo nampitondra faisana kaominina maro tany amin’ny distrikan’i Sakaraha. Avy nanafika tao Amboronabo ny andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana notarihan-dRebaly no nifanehatra tamin’ny fokonolona mpanara-dia ka raikitra ny fifadonana, ka teo no nahalavo an’ity dahalo raindahiny ikoizana amin’ny halatr’omby sy vono olona arahina fanolanana ity. Leom-boan’anana amin’ny fandrobana mahazo laka saika isan’andro amin’ny fananany sy famonoana ary fandratrana olona tsy manan-tsiny amin’ny firongatry ny asan-dahalo ny mponina. Manao vy very ny ainy ny fokonolona miaro ny fananany. Niray hina ny fokonolona, ary sahy nanao vy very ny ainy nifanehatra tamin’ireto malaso fahavalom-bahoaka mirongo basy sy ody gasy mahery. Raha ny tati-baovao dia naman’ireo dahalo miisa 12 maty voatifitra tao amin’ny ala kizon’ny Besomatsy, ny 3 febroary teo i Rebaly, ary anisan’ny tompon’antoka tamin’ny famonoana zandary sy zandrina ben’ny tanàna rehefa avy nandroba ny ombin’ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitry Andranolava miisa 100. Raha ny fantatra dia fianakavian’ i Rebaly iray manontolo mihitsy no mivondrona ho ekipa iray amin’ny fangalaran’omby amina distrika maromaro any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, hoy hatrany ny vaovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici