Azo sambo-belona ny dahalo telo lahy ary nanaiky ny hiara-hiasa amin’ny zandary, hanoro ireo toerana fivorian’ny namany. Teny an-dalana anefa, tifitra variraraka no nitsenan’ireo namany azy telolahy sy ireo zandary. Nanararaotra nitsoaka ihany koa izy ireo ka tsy maintsy nandray fepetra hitifitra ireo zandary rehefa tsy nety nampitandremana ireo. Tranga niseho tao Besavoa, Sakaraha afak’omaly alina. Ny zava-nisy, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’nyzandary, dia nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo, avy amin’ny tobim-paritra Sakaraha no nifanenan’izy ireo tamin’ny telolahy nampiahiahy fihetsika. Toa nirongo fitaovam-piadiana sy fitaovana maro samihafa ihany koa izyireo. Tamin’io fotoana io, vao nahatsikaritra ireo zandary iretofarany dia nitsoaka. Raikitra ny fanenjehena ka tsy lasa lavitra dia tratra. Fanofody gasy maromaro, “pince” ary basy poleta vita gasy no voalaza fa tratra teny am-pelatanany. Nentina natao fanadihadiana teo no ho eo ihany ka fantatra fa avy any Ejeda izy ireo ary nikasa hanafika tanana iray teo Sakaraha. Nandritra izany koa anefa no nisy niantso ry zalahy ireto, ary nilaza fa efa tara tamin’ilay “mission”. Fantatra teo, araka izany, fa mbola misy naman’izy ireo maromaro any. Nanaiky ny hiara-hiasa tamin’io nahasambotra azy araka izany izy ireo, hanoro io toerana misy ny namany io. Dimy kilaometatra miala ny tanana, mizotra miatsinana no misy izany. Vao tonga teo amin’ilay toerana voalaza anefa dia efa vavabasy maromaro no nitsena azy ireo. Raikitra teo ny fifandonana. Nanararaotra izany iretsy voasambotra ka nanao tsoa-pe, eny fa na dia efa nandefa fampitandremana ny tokony hijanonan’izy ireo aza ny zandary, izay sady miaro tena amin’ny tifitra variraraka avy tamin’ireo andian-dahalo. Nony nitsahatra ny tifitra, ary nangina tampoka ny toerana dia hita fa maty rotiky ny bala iretsy telolahy voasambotra am-boalohany. Nomena ny fokonolona halevina moa izy ireo, raha mbola nitohy kosa ny hazalambo iretsy olon-dratsy sahy nihantsy sy niandry kendry tohana ireo mpitandro filaminana. Heverina fa tsy ho ela dia ho fantatra izy ireo, niainga avy tamin’ny laharana niantso iretsy voatifitra. Marihana fa mbola nisy basy sy famaky latsaka tsy lavitry ny toerana nahitana ny fatin’ireto dahalo ireto.
m.L