- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Dahalo valo voasambotra, basy dimy sarona

Sakaraha : Dahalo valo voasambotra, basy dimy sarona

Basy  dimy fampiasan’ireo dahalo indray, no saron’ny mpitandro filaminana manao ny hetsika « Fahalemana 2015 » hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, ny alin’ny alahady teo, tao an-tanànan’Andromba, Kaominina Amboronanto any amin’ny distrikan’i Sakaraha. Raha ny fanazavana azo, dia nifanehitra tamina lehilahy valo mampiahiahy ireo miaramila mpampandry tany tamin’ io alina io. Taorian’ny fisavana tsy maintsy natao, no nahatrarana basim-borona efatra ary basy poleta vita gasy iray; izay samy tsy nisy taratasy fahazoan-dàlana mazava ho amin’ny fampiasana izany.

Natao ny fisamborana ireto voalaza ho olon-dratsy, nogiazana ao amin’ny tobin’ny Zandary Sakaraha kosa ireo basy rehetra tratra ireo. Ankoatra ny famerenana ireo omby halatra tamin’ny tompony, dia laharam-pahamehana ihany koa ny fanaovana hazalambo ireo dahalo mpampihorohoro ny mponina. Ezahina ny hahatrarana ny fitaovam-piadiana mahery vaika ampiasain’ny malaso, satria anisany mampirongatra ny asan-dahalo  izay isiana rà mandriaka ny fiparitahan’ny basy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici