Nihoson-drà ny fifidianana Solombavambahoaka tao Sakaraha, Faritra Atsimo Andrefana. Tovolahy iray mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Maninday Toliara, antsoina hoe : Bastide dit Ragnitsy, izay « délégué de vote » ana kandidà tsy miankina iray ao Sakaraha no nisy namono, ka maty voafira famaky teo amin’ny lohany, afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny enina ora. Raha ny vaovao voaray, dia avy tao amin’ny foiben-toeran’ny kandidà tohanany ity tovolahy izay nandeha bisikileta hamonjy fodiana ity, no nisy nanakana teny an-dalana tsy lavitra ny biraon’ny Distrika, ka voakapoka famaky teo amin’ny lohany, ary naratra be. Na dia nialan’ny mpitsabo nenina mafy aza izy, nefa noho ny fahaverezan-drà be loatra, dia tsy tana ny ainy. Manoloana izao vono olona nahatsiravina nahavalalanina ny maro izao, dia misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana ny/ireo nahavanon-doza.
Eric Manitrisa