Nitrangana fanafihan-dahalo indray tamin’ny lalam-pirenena fahafito, afak’omaly naraim-be tokony ho tamin’ny efatra ora, tao Antsapanana, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahaboboka, distrikan’i Sakaraha. Raha ny fampitam-baovao azo tamin’ny mpandeha iray niharam-boina, dia fiara taksiborosy iray hihazo an’i Toliara no tratran’ny sakan-dalana tamin’ny vatobe nataon’ireo dahalo. Niala ireo vato marobe nanao tohivakana teo am-povoan’arabe ny mpamily, ka nivadika ambony ambany ilay taksiborosy, ary nanararaotra nadroba ny mpandeha rehetra tsy afa-nanohitra azy ireo ny jiolahy mpanakan-dalana. Rehefa azon’ireo olon-dratsy nitam-piadiana ny vola, ny finday, ny firavaka volamena sy rojo volafotsy niampy ny entam-barotra zakan’ireo malaso, dia nitsoaka izy ireo ary nadio ny rano nitana.
Eric Manitrisa