- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Fanafihana tobim-pahasalamana, zandary iray voarohirohy

Sakaraha : Fanafihana tobim-pahasalamana, zandary iray voarohirohy

Olona valo no ataon’ireo eo anivon’ny pôlisim-pirenena ao Sakaraha fanafihadiana amin’izao, noho izy ireo voarohirohy tamin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana, tobim-pahasalamana iray tao Mahaboboka Sakaraha, ny voalohandohan’ny volana febroary lasa teo. Misy amin’izy ireo no mpitandro filaminana, misy vehivavy ary misy jiolahy raindahiny, efa fanta-daza amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana.

Araka ny fampitam-baovao azo, ny 04 febroary lasa teo dia lasibatry ny fanafihana mitam-piadiana ny tobim-pahasalamana, Centre Mahaboboka tao Sakaraha. Valolahy izy ireo no fantatra fa nanao izany asa ratsy izany, izay samy nitondra fitaovam-piadiana avokoa. Lasa tamin’ireo fotoana io ny fitaovana eletronika maromaro lafovidy, toy ny fahitalavitra, solosaina, finday sns. Nisy ihany koa ny volabe mitentina 1 900 000 ariary lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany fotoana izay. Tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny kaomisarian’ny pôlisy tao Sakaraha ny tompon’andraikitr’izany Ivon-toerana izany taorian’io.

Niainga tamina fisamborana lehilahy iray 48 taona, tany Mahavatsy II, Toliara ny fizotry ny fanadihadiana, iray volana sy tapany taty aorian’ilay fanafihana. Ity farany moa, izay nahatratrarana « tablette » tao aminy, izay isan’ireo fitaovana very tao amin’ilay tobim-pahasalamana. Rehefa natao ny famotorana dia nanonona vehivavy iray, izay nahazoany io « tablette » io ingahirainy, izay monina tao Mahavatsy ihany. Rehefa nosamborin’ny pôlisy tao Toliara ity ramatoa ity, dia nilaza fa vehivavy roa monina any Ambony Andrefana Sakaraha no nahazon’izy ireo ilay fitaovana halatra. Nitohy hatrany teo ny fanadihadiana ary fantatra tamin’izany fa ny iray tamin’ireto vehivavy roa voatondro ireto dia sakaizana zandary iray tao an-toerana. Telo lahy hafa ihany koa no voatonotonona ho nandray anjara nivantana tamin’ilay fanafihana, izay voasambotra ny herinandro lasa teo. Araka ny famotorana lalina nataon’ireo mpanao fanadihadiana ihany koa anefa dia fantatra fa mipetraka ao amin’io zandary, voatonona etsy ambony ireto farany. Iretsy voalohany anefa dia efa fantatra, araka ny vaovao azo hatrany fa efa jiolahy rain-dahiny, voarohirohy tamina resaka fanafihana maro isan-karazany sy fikambanan-jiolahy ary efa nifonja tao Toliara noho izay resaka izay. Noho izay zavatra izay dia tsy maintsy hiantefan’ny fanadihadiana sy ny famotorana ihany koa ity mpitandro filaminana ity. Tafakatra valo araka izany ireo olona voarohirohy tamin’ity fanafihana ity ary atolotra ny Fampanoavana atsy ho atsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici