Fatin-jaza menavava iray, tokony ho telo volana eo ho eo, no hitan’ny mpiandry omby tao anaty tata-drano amorona kirihitr’ala, ny asabotsy tolakandro teo, tany Sakaraha. Saika hisasa tarehy teo amin’io lakan-drano kely io ity mpiarak’andro no nahita harona plastika nifono ka nalaina. Akory anefa ny hatairany rehefa nosokafany ny “sachet” ,nahita ny razana kely tao, ka nampandre haingana ny olona teny an-tanàna ny zava-misy izy. Ny harivan’io ihany dia nalevin’ny fokonolona ny fatin’ilay zaza efa nanomboka ho simba, rehefa nampahafantarina ny tranga ny tompon’andraikitra, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa