- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Filohan’ny Dinaben’i Beraketa, maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Sakaraha : Filohan’ny Dinaben’i Beraketa, maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Nitrangana vono olona nahatsiravina indray tany amin’ny Distrikan’i Sakaraha, afak’omaly. Maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny Fokontany Adabofolo, Atoa Damy dit Dezy, Filohan’ny Dinaben’ny Kaominina ambanivohitr’i Beraketa teo aloha. Araka ny tati-baovao voaray, dia avy namonjy tsena hamonjy fodiana niaraka tamin’ny namany telo lahy sy ny zanany lahy ity Filohan’ny Dinabe ity no nisy nitifitra teny an-dalana, ary mbola nokapakapaina tamin’ny famaky avy eo, ka maty tsy tra-drano. Naratra mafy voatifitra ihany koa ny zanany lahy, ka mbola tsaboina ao amin’ny hopitaly manara-penitra Toliara. Raha ny fantatra, dia noho ny disadisa misy ao amin’ny Dinaben’i Beraketa no fototry ny olana, ka niafara tamin’izao vono olona miendrika valifaty izao, satria voampanga tamin’ny asa ratsy ilay namono, kanefa tsy nety nanavaka sady nanda hanonitra ireo omby sy vola saziny taorian’ny kabary natao imasom-bahoaka, ny 29 martsa lasa teo. Karohin’ny Dinaben’i Bereketa fatratra atao hazalambo amin’izao ireo mpamono olona miaraka amin’ny vady aman-janany nandositra, izay mpiray tanàna tamin’ity Filohan’ny Dinabe namoy ny ainy ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici