Ahiana ho toy ny tranga niseho tao Soamahamanina ny zava-hisy any amin’ny kaominina ambanivohitry Mahaboboka, any amin’ny distrikan’ i Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, raha tsy voalamin’ny tompon’andraikitra mahefa haingana ny toe-draharaha misy any an-toerana ankehitriny, satria tsy eken’ ireo vahoaka ny fanitarana tany ataon’ireo sinoa mitrandraka etona (gazy natoraly) mankany amin’ny faritra fanajariana razana alohan’ny toeram-pandevenanana. Nanizingizina ireo vahoaka tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo, tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Sakaraha Tinoka Roberto, nijery ny zava-misy taorian’ny fitarainan’ny vahoaka sy ny avy ao amin’ny foko Tesomangy (tompon’ny toeram-pandevenana) ary Ben’ny tanànan’i Mahaboboka, ny faramparan’ny herinandro iny, fa “ lavinay hatrany farany ny hakana sy hitrongisana an’ ireo toerana masina misy ny fasanay. “
Maro amin’ ireo fifanarahana nifanaovana tamin’ny sinoa mpitrandraka no tsy tanteraka mandrak’ ankehitriny, isan’izany ny fananganana sekoly, hopitaly ary ny fanomezana rano fisotro madio. “ Tsy misy tombontsoa azonay mihitsy amin’ity fitrandrahana ity. Na ny vola onitra tetim-bidin’ny tanimbarinay nosimbaina sy nopotehina azy ity tsy azo. Indray nandeha ihany izahay nomen’ny sinoa vola, raha tokony isan-taona ny fandoavana izany araka ny fifanarahana nisy sy natao. Rahonana sy fitapitahina ary ampirohorohoana foana izahay vahoaka raha vao mitaky ny volanay “.
Raha tian’ireo sinoa, hoy ny rodoben’ ireto vahoaka, ny hitohizan’ny fitrandrahana etona eto, dia tokony tanterahina aloha ireo fampanantenana natao. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia tsy hajain’ireto sinoa mitrandraka etona ao Mahaboboka ihany koa ny voasoratra ao anatin’ny bokin’andraikitra. Raha nanontaniana kosa ny ampahany amin’ireo sinoa mpiandry raharaha tao amin’ity toeram-pitrandrahana ity, dia nilaza izy ireo fa tsy mahafantatra na inona na inona. “ Any amin’ny minisitra ianareo manontany, fa mpanatanteraka baiko fotsiny izahay eto “, hoy ireto sinoa.
Eric Manitrisa