- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Kandidà iray tsy lany nitondra nitsoaka ny vata fandatsaham-bato

Sakaraha : Kandidà iray tsy lany nitondra nitsoaka ny vata fandatsaham-bato

Mipoitra tsikelikely amin’izao ny fandikan-dalàna nisy nandritra ny androm-pifidianana ny 31 jolay teo. Ny harivan’ny zoma teo, tany amin’ny distrikan’i Sakaraha, dia kandidà iray tsy lany (mangidy hoditra sy naloan’ny vahoaka) no nampiasa ny habibiany nanapoaka basy nampihorohoro ny mpifidy tao amin’ny fokontany Mihavatsy. Tsy izany ihany fa nisy trano koa nodorany. Nalain’ity kandidà, izay mpitandro filaminana misotro ronono, ity an-keriny nampisehony herisetra koa ny lisi-pifidianana ary nentina nandositra ny vata fandatsaham-bato sy ny lisitra nisy ny vokatry ny fifidianana tao an-tanànan’ Analamary, Andakazera-Mikaika, ary Antanimbaribe-Mahasoa, hoy ny loharanom-baovao.
Ny alahady alina teo vao tonga tao Sakaraha renivohitra, tao amin’ny Komitim-pifidianan’ny distrika izany, raha toa ka tokony ho tonga tamin’ny zoma alina na asabotsy raha tara indrindra. Tsy maty manota hono izy, sady be lamosina ! Teo anatrehan’izany, tezitra ny vahoaka manahy ny hosoka sy hala-bato ka tonga nilahatra tao amin’ny CED tao Sakaraha, ka nanery ny mpikambana tao mba hilaza ny marina rehetra. Raha ny vokatra vonjimaika am-pelantanana dia ny kandidàn’ny TIM Longo Rapha, izay mpanao gazety, no mitarika amin’ny 32, 62%, manaraka azy ny HVM ary ny MAPR eo amin’ny laharana fahatelo.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici