- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Maty notifirin-drangahy tamin’ny basy ny vadiny

Sakaraha : Maty notifirin-drangahy tamin’ny basy ny vadiny

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona no maty notifirin’ny vadiny ny basy, ny asabotsy teo, tany amin’ny distrikan’i Sakaraha. Raha araka ny loharanom-baovao voaray dia noho ny hasarotam-piaro diso tafahoatra no nanaperan’ilay raim-pianakaviana ny aim-badiny. Nosoketain-drangahy ho misakaiza amin’ny mpiandry ombiny ny vadiny ka rafitra ny fifamaliana sy ady. Nilaza hisintaka ity renim-pianakaviana namoy ny ainy ity rehefa nanitrikitrika fa tsy mahazaka ny toetram-badiny. Tezitra noho izany ny anao lahy ka naka ny fitaovam-piadiany ary nitifitra avy hatrany ny andefomandriny. Bala roa no niantefa teo amin’ny tratran-dramatoa. Nijininika ny rà, ary minitra vitsy taorian’izay dia tapitra teny an-dalana ny ain’ity vehivavy ity, raha iny nifamonjena noentina haingana hamonjy toeram-pitsaboana iny. Nitsoaka kosa ilay rangahy nahavanon-doza ka mbola karohina hatramin’izao, raha ny loharanom-baovao hatrany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici