- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Mirongatra ny andiam-balala

Sakaraha : Mirongatra ny andiam-balala

Maso mahita amin’iny RN7 iny, takona rakotra mainty ny lanitra eo anoloana rehefa mandalo manidina manapaka lalana ireo andiam-balala analinalin-kisa, ka maro amin’ny fiara mandeha no tsy maintsy mijanona. Noho ny firongatry ny andiam-balala vaventy ohatra ny ratsan-tanana any amin’ny distrikan’i Sakaraha sy Toliara II (tapany atsinanana), toy ny hita ao amin’ny kaominina Mahaboboka, Amboandelaka, Antsohamadiro, Andranovory dia potika avokoa ankehitriny ny ankamaroan’ny volin’ireo tantsaha, ka anaovan’ny mponina antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa, indrindra ny avy ao amin’ny sampana mpamono valala, amin’ny hamonoana faran’izay haingana an’ireto valala. Raha ny vaovao voaray, dia ringitra avokoa izay voly rehetra nolalovan’ireto valala, ary hanin’ireto biby hatramin’ny voninkazo sy voankazo.

Nangonin’i Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici