- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Moto nivarina an-kady nahafaty olona

Sakaraha : Moto nivarina an-kady nahafaty olona

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafaty olona indray tany Sakaraha ny asabotsy alina teo, tokony ho tamin’ny 10 ora. Roalahy mpibizina safira nanao taingin-droa tamin’ny moto no latsaka tao an-kady vokatry ny fandehanana mafy. Maty tsy tra-drano ny iray, nitsatoka teo amin’ny tratrany ny “guidon”-n’ny moto nentiny. Miady amin’ny fahafatesana naratra mafy tapa-tanana sy vaky loha ny tovolahy faharoa 28 taona. Raha ny vaovao voaray dia avy nividy vato tany amin’ny kariera ambanivolo izy roalahy ireto hitodi-doha ao Sakaraha, izao tra-doza izao. Tsy nanao aroloha (casque), ny lalana ratsy nefa ny moto nentin’izy ireo zara raha mahatsilo ny jiro. Nahenoana fofon-toaka izy roalahy niharan-doza ireto, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici