Mpianaka avy nivarotra omby telo nofirain’ny dahalo ny famaky, ny harivan’ny alahady teo, tany Sakaraha. Raha ny vaovao, somary tratra hariva ireto mpianaka vao tafody satria mbola nividy ampahan’entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro. Teny an-dalana izy mianaka no nifanehitra tamin’ny malaso mpanakan-dalana. Nalain’ireo dahalo dimy nirongo basy ny iray ny entana rehetra zakan’izy ireo tao anaty sarety. Mbola nentin’ireo mpadroba ihany koa ny ombin-tsarety roa. Iny hikasa hanohitra tamin’ny fakana an-keriny ny fananany iny ity tovolahy iray 21 taona no voafira famaky teo amin’ny lohany sy hatony, raha voambana basy tsy afa-nihetsika ny rainy. Nijininika ny rà ka nentina namonjy haingana tobim-pitsaboana, ary mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao, noho ny fahaverezan-drà be loatra. Nitsoaka niaraka amin’ny remby azony kosa ireo andian-dahalo tanora manodidina ny 20 taona, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa