- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Mpianaka matin’ny dahalo

Sakaraha : Mpianaka matin’ny dahalo

Nitrangana vono olona tamin’ny fomba feno habibiana indray tany Sakaraha, ny alin’ny zoma teo. Mpianaka namonjy tsena voalaza fa avy nivarotra osy efatra, nandeha hody nitaingina sarety, no hita faty nihosin-drà tao anaty kirihitr’ala, ny marainan’ny asabotsy teo. Diam-pamaky telo ary tsindrona lefona nanandrify ny fony no nahafaty an’ilay raim-pianakaviana. Tamin’ny alalan’ny tifitra kosa ny an’ilay zanany lahy niaraka taminy. Raha ny vaovao voaray tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia mbola tsy hita popoka hatramin’izao ny fitaovam-pitaterana sarety nentin’ireto mpianaka namoy ny ainy. Ankevitry ny efa fantatr’ireo malaso fa nitondra vola sy entana maro izy mianaka. Mety ho valifaty ihany koa. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana sy fikarohana an’ireo olon-dratsy, raha ny tati-baovao azo hatrany.

 Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici