Namaivay ny fifandonana tamin’ireo dahalo tany amin’iny distrikan’i Sakaraha iny, omaly. Nisy olona iray mihitsy aza, tamin’ireo mpifanandrina no maty voatifitra. Fifandonana izay nentina namotsorana ireo olona, mpianaka roa lahy, lasa takalonaina tao Ankaboka. Raha ny zava-nisy, araka ny fampitam-baovao azo, dia mpitondra sarety iray niaraka tamin’ny zanany vao sivy taona monja no notafihan’ny dahalo mitam-piadiana sy mirongo ody gasy, omaly antoandro. Tsy vitan’ny nalain’ireo olon-dratsy ny ombin’izy ireo, fa mbola nentina nataony takalon’aina ihany koa ireto farany. Tamin’io fotoana io, dia sendra nanao fisafoana tao Andranomaitso, Sakaraha ny zandary ka niantso vonjy tamin’ireto farany avy hatrany ireo mponina. Tsy niandry ela moa ireto mpitandro filaminana, fa avy hatrany dia nandray an-tànana ny raharaha ary rafitra nanara-dia, nampian’ireo fokonolona. Tsy dia lasa lavitra loatra fa teo amin’ny kizo atao hoe Antatao no nifankatratra ny roa tonta. Ireo dahalo raha vao nahita ireo mpanenjika, dia nitifitra avy hatrany. Iray tamin’ireo mpanara-dia no voan’ny balan’izy ireo ka maty tsy tra-drano. Namaly tifitra ireo zandary. Tsy nisy lavo ireo olon-dratsy, saingy resy tosika kosa ary nanao tsoa-pe nandositra, namela azy mianaka sy ireo omby. Tsy namelan’ireo zandary moa raha tsy voasambotra ny roa tamin’izy ireo,fa tafaporitsaka ny roa ambiny. Mbola nahatrarana basim-borona iray sy mohara maromaro moa teny amin-dry zalahy ireto. Mbola mitohy kosa ny hazalambo sy ny fikarohana ireo roa tafatsoaka.
m.L