- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Mpivady notifirina dia nodorana ny tranony

Sakaraha : Mpivady notifirina dia nodorana ny tranony

Nitrangana asan-dahalo nahatsiravina namoizana ain’olona tsy manan-tsiny indray, tany amin’ny Distrikan’i Sakaraha, Faritra Atsimo Andrefana, ny alin’ny alahady hifoha  alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny iray ora naraina. Mpivady mpivarotra iray no maty novonoin’ny malaso folo lahy nitam-basy tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony, tao amin’ny Fokontany Andoharotsy, Kaominina ambanivohitry Vineta. Rehefa tafiditra tao amin’ity tokantrano sady toeram-pivarotana ity ireo dahalo, dia norarafan’ireo tsy mataho-tody  tifitra variraraka nanandrify ny fony ireto mpivady natory teo am-pandriana, ka maty tsy tra-drano. Ary nalain’ireo malaso tamin’izay ny vola vidin’entana rehetra maty nandritra ny herinandro, niampy entam-barotra sy fanaka lafo vidy tao an-trano zakan’ireo olon-dratsy. Vita izay, dia nampidiran’ireo dahalo bozaka tao an-trano misy ny razana, avy eo nodoran’izy ireo,  may kila forehitra tao ny fatin’izy mivady. Renim-pianakaviana iray hafa sendra nivoaka kosa no naratra mafy notifirin’ny dahalo. Raha ny tati-baovao voaray, dia naharitra ora iray nahery ny fanafihana nataon’ireo malaso tao amin’ity tokantrano ity. Noho ny tahotra, dia tsy nisy sahy nivoaka ny tranony avy ny mponina teo an-tanàna.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici