Nitarika fahafatesan’olona iray ny fikasihan-tànana sy daroka izay nataon’ny zandary tao Sakaraha. Tsy tao anatin’ny fanatontosana ny asa ireo mpitandro ny filaminana, fa namonjy fety kosa nandritra ny alatsinain’ny Paska teo. Nisy ny tsy fifankahazoan-kevitra izay nitranga tao amin’ilay toerana ary niafara tamin’ny fahatezerana. Teo no raikitra ny daroka ; izay nandratra olona iray antsoina hoe : Falco. Namoy ny ainy omaly io farany, ary vetivety dia nitarika ny hatezeram-bahoaka tao Sakaraha ny fahenoana ny zava-nitranga. Nivory ny olona ary nanan-kevitra ny nitondra ny razana teo anoloan’ny borigady ao an-toerana. Omaly ihany dia namoaka fanambarana ofisialy ny zandarimariam-pirenena, manoloana ny toe-draharaha. « Ny fitondram-panjakana, fa indrindra ny zandarimariam-pirenena dia tsy manaiky ny herisetra nataon’ny Zandary iray tamin’ny 22 aprily 2019 teo, tamin’ny tovolahy iray izay nitarika azy tamin’ny famoizany ny ainy, tao Sakaraha, ny 24 aprily 2019 » raha arak’ilay fampitam-baovao. Mbola namafisin’ny zandary koa, fa : « noraisina avy hatrany ny andraikitra ka notazonina anaty « cellule » any Toliara ilay zandary namono ary atao ny fanadihadihana na ireo zandary niaraka taminy tsy nikasi-tanana aza ka hatolotra ny Fitsarana anio (omaly). » Na izany aza anefa, dia nanamafy ny zandary tao anatin’ilay filazana, fa « tsy maintsy miaro ireo tobiny noho ny fisian’ireo fitaovana saropady ka raha misy alaim-panahy hanao fihoaram-pefy dia handray andraikitra izy. » Manaratsy endrika tanteraka ny asan’ny mpitandro ny filaminana ny fihetsika tsy voahevitra toy izao, avy amin’ny olony. Mbola misy amin’ireo ny manana eritreritra, fa manana fahefana feno amin’ny vahoaka ary afaka manao izay tiany, satria izy ireo ihany no hanao ny fanadihadiana avy eo ary matoky arak’izany fa tsy maintsy hisy ny kiantranoantrano. Soa fa tsy izay no nitranga tamin’ity indray mitoraka ity, satria nandray ny andraikiny avy hatrany ny lehibeny ary nisambotra sy nanokatra fanadihadiana, tsy amin’ny maha-zandary intsony, fa amin’ny maha-olom-pirenena izay nahavita heloka. Tsy tao anatin’ny asa rahateo no nisian’ilay fikasihan-tànana, fa amin’ny maha-olon-tsotra namonjy fety tao an-tanàna kosa. Ny fanontaniana nipetraka anefa na izany aza, moa ve raha tsy nitroatra ny fianakavian’ny maty na koa ilay foko izay voakasika, dia mety ho vitavita hoazy indray ny raharaha ?
D.R