- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Omby 350 norobain’ny dahalo, mpanara-dia 5 maty voatifitra

Sakaraha : Omby 350 norobain’ny dahalo, mpanara-dia 5 maty voatifitra

Tato anatin’ny iray volana teo, taorian’ny nampiatoana ny Dinabe, izay dinam-pokonolona iadiana amin’ny asan-dahalo, dia mirongatra izaitsizy ny halatr’omby any amin’ny Distrikan’i Sakaraha, Faritra Atsimo Andrefana, ka mitaintaina andro aman’alina sy miraviravy tànana, noho ny tsy fandriampahalemana misy ny mponina, ;izay tantsaha mpiompy ny ankamaroan’izy ireo. Afak’omaly hariva tokony ho tamin’ny enina ora, omby  350 tamina valabe roa no norobain’ny dahalo voalaza fa fito lahy nitondra basy mahery vaika, tao Andasy. Nentin’ireo malaso nihazo ny làlana mankany amin’ny Distrikan’ Ankazoabo Atsimo iny ireo omby halatra. Tao anaty fanarahan-dia, olona  dimy no maty voatifitra nandritra ny fifandonana. Noho ny firongatry ny halatra omby mahazo laka amin’izao, dia mangataka amin’ny fitondram-panjakana mba hamerenana hanan-kery tsy misy hatak’andro indray ny « Dinabe » sy mba handefasana  andiana mpitandro filaminana hampandry tany ary hanetsehana ny helikopteran’ny BIA (Bataillon Interarmes de l’Armée) ao Ihosy, hanampy ireo miaramila an-tanety hanenjehana ireo dahalo mpangalatra omby, ny mponina any amin’ny Distrikan’i Sakaraha, satria raha ny tati-baovao marim-pototra voaray, dia efa 12 izao ny trangana halatr’omby fotsiny ohatra, tao amin’ny Kaominina Mahaboboka, ka omby aman-jatony no very, izay namoizana aina sy nandratrana olona tsy manan-tsiny maro hatrany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici