Trangam-piarahamonina tsy nampoizin’ny maro no niseho tany Sakaraha, omaly. Tsy hay izay nahazo an’ity lehilahy iray 30 taona eo ity, na tsy nahazaka ny onjan’ny toaka nosotroiny, na vono olona efa nomanina nialoha. Raha vao tonga tao an-tranony maantsyizy, ny alatsinainy alina teo, dia nivantana sady nivatravatra avy hatrany teny am-pandriam-badiny mifana vao tera-bao, ny alahady teo, ity raim-pianakaviana ity, ary nilaza rangahy fa tsy zanany io zazalahy vao teraka io, satria fotsy ohatry ny vazaha sady koso volo (malama volo). “ Nangala-pihinana tamina lehilahy hafa tany ianao, ka izaho lehilahy mainty sady ngita volo ity no ataonao iaban’ny mpamenofeno (rain-jaza), nefa isika roa samy mainty daholo, ary maninona ianao no niteraka zaza fotsy fihodirana “, hoy izy mantsy ny vadiny, raha ny fanazavana azo araka ny tati-baovao voaray. Niezaka nanambitamby sy nampatory am-badiny ramatoa, ary nihevitra ity farany fa nilamina ny raharaha. Akory anefa ny hatairana noho naraina ny andro, fa zaza nihosin-drà tsy nisy aina intsony voadidy ny antsy teo amin’ny tendany sy lamosiny no teo am-pandriana. Rangahy kosa tsy hita izay najavonany, nantsoina tamin’ny findainy tsy tratra antso. Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity vono olona ity, ary karohina fatratra ilay raim-pianakaviana voalaza fa nitsoaka, voatondro ho namono ny zanany vao teraka.
Eric Manitrisa