- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Tokantrano mpibizina safira voatafika, 3 tapitrisa ariary lasa

Sakaraha : Tokantrano mpibizina safira voatafika, 3 tapitrisa ariary lasa

Nitrangana fanafihan-jiolahy indray tany Sakaraha, afak’omaly alina, tokony ho tamin’ny 9 ora tany ho any, ka lasan’ny jiolahy dimy nirongo basy sy zava-maranitra ny lelavola telo tapitrisa ariary niampy firavaka sy rojo volamena milanja 150 g teo ho eo. Nisaron-tava ny roa tamin’ireo jiolahy mpanafika nilanja ny basy. Teo am-pisakafoana ireto fianakaviana mpanao bizina safira ireto no niditra an-keriny tao an-trano ny efatra tamin’ireo malaso, ary avy hatrany dia nandrangaranga basy sy zava-maranitra, ka tsy afa-nihetsika noho ny tahotra sy hatairana tampoka.
Voambana basy ny iray trano. Nitaky vola avy hatrany ireo jiolahy ary nandrahona ny hamono raha misy ny manohitra. Noteren’ireo jiolahy hanoro ny fitoeram-bola ilay raim-pianakaviana tompon-trano, ka voaroba ny 3 tapitrisa Ariary, niaraka tamin’ny volamena. Raha ny fantatra, dia 20 minitra teo ho eo no nisehoan’ny fanafihana, ary tsy nisy nahatsikaritra ny asa ratsy ny teo amin’ny manodidina. Efa lasa telo minitra teo ireo dahalo vao sahy niantso vonjy ny lasibatra. Raha ny vaovao voaray, dia mitohy ny fikarohana an’ireo jiolahy tafaporitsaka.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici