- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Tovolahy nisarahan’ny sipany, maty nandidy ny tendany tamin’ny antsy

Sakaraha : Tovolahy nisarahan’ny sipany, maty nandidy ny tendany tamin’ny antsy

Noho ny olam-pitiavana,  dia lasa sahisahy ny tanora sasany ankehitriny. Tovolahy iray manodidina ny 21 taona eo, voalaza fa mpianatra hanala fanadinana bakalorea amin’ity taona ity no hita faty vao maraina, tao amin’ny efitrano fatoriany, omaly, tany Sakaraha.  Raha ny fanazavana azo araka ny tati-baovao voaray, dia voalaza fa namono tena nandidy ny tendany tamin’ny antsy maranitra ity tovolahy ity, vokatry ny famoizam-po tamin’ny nisarahan’ny sipany  taminy, ka nanapitra ny ainy. Raha ny fantatra, dia miaraka amina teratany vahiny mpividy safira ilay tovovavy sakaizany. Afak’omaly hariva, tratran’ity tovolahy ity nampiaraka tamin’io teratany vahiny io  ny olon-tiany, ka rafitra ny ady teo amin’ny telo tonta, ary nilaza razazavavy, fa tsy hiaraka aminy intsony fa mahantra, ary efa nahazo patirao mpanam-bola. Tonga tany an-tranony ity tovolahy diso fanantenana tanteraka ity, dia tsy niteny tsy nivolana fa namonjy ny efitra fatoriany, ary nihidy tao, tsy nivoaka nisakafo akory, hoy ny havany. Akory ny hatairan’ny rehetra nony naraina ny andro, fa vatana mangatsiaka nihosin-drà no hita.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici