- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Tovovavy niteraka kambana telo, maty teo am-piterahana an’ireo zanany

Sakaraha : Tovovavy niteraka kambana telo, maty teo am-piterahana an’ireo zanany

Renim-pianakaviana iray 25 taona eo ho eo izay niteraka ny zanany kambana telo mirahavavy no maty teo am-piterahana, afak’omaly hariva tany Sakaraha. Araka ny tati-baovao azo, dia noho ny fahaverezan-drà be loatra no nitarika ny fahafatesan’ity tovovavy ity, ary zanany naterany faharoa ireto telo mirahavavy kambana. Omaly, taorian’ny tsipaipaika ara-bola nataona olona tsara sitrapo maromaro, dia nalefa any amin’ny tany niaviany sy fonenany any amin’ny Kaominina Andranolava ny razana. Manoloana izao voina izao, satria lasa kamboty tsy fidiny ireto zaza vao teraka, dia sahiran-tsaina mafy ny rain’ireo zaza amin’ny fitadiavana vehivavy hampinono ireo menaky ny ainy. Raha ny vaovao voaray farany tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra dia salama tsara izy telo mirahavavy kely izay mbola arahi-maso akaiky ny fitsaboana azy ireo amin’izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici