- Publicité -
mercredi, septembre 24, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Vehivavy maty nofirain’ny jiolahy famaky

Sakaraha : Vehivavy maty nofirain’ny jiolahy famaky

Nitrangana fanafihan-jiolahy narahina vono olona indray tao Sakaraha, ny faran’ny herinandro iny. Vehivavy iray mitondra vohoka no maty nofirain’ny jiolahy famaky teo amin’ny lohany, rehefa avy nodarohana tamin’ ny vodibasy, tao amin’ ny Fokontany Betela Ambony. Raha ny vaovao voaray, dia nopitsohin’ ireo jiolahy ny varavarana ary teo izy ireo no niditra  amboletra. Voarahona tamin’ny basy ireo mpianakavy tao trano, ka tsy nisy nahetsika. Nandraoka ny entana rehetra izay zakan’ ny tànany ireo jiolahy ary nataon’izy ireo babangoana ny trano. Lasa avokoa hatramin’ ny vilia aman-tsotro, ny akanjo fitafy sy ny vola ary ny volamena. Vata fahitalavitra iray sisa navelan’ireo mpandroba.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici