Nandritra ny hetsika fanamafisana ny andron’ny vaksiny polio ny 24-25-26 septembra 2018, dia ankizy maherin’ny 290.000 no noezahina ho vita vaksiny polio manerana ny faritra Atsimo Andrefana, tao anatin’ny telo andro, nanomboka ny alatsinainy teo nifarana omaly. 26.000 amin’izany dia ao amin’ny distrikan’i Sakaraha. Io tarehi-marika io no fantatra nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fanaovam-baksiny faobe amin’ny ady atao amin’ny aretina lefakozatra, natao tao Sakaraha. « Zon’ny zaza ny ho salama, ka mila atao vaksiny atete am-bava ny zanatsika vao teraka ka hatramin’ny dimy taona », hoy ny lehiben’ny Faritra, Kly Rabe Jules.
Eric Manitrisa