- Publicité -
mardi, septembre 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakaraha : Zazalahy iray avy nianatra handeha hamonjy fodiana, maty nilatsaham-baratra

Sakaraha : Zazalahy iray avy nianatra handeha hamonjy fodiana, maty nilatsaham-baratra

Nandritra ny ora-nikija narahina havandra sy kotroka, afak’ omaly hariva, dia zazalahy iray sahabo ho 11 taona eo no maty nilatsaham-potaka, tany amin’ny Distrikan’ i Sakaraha. Avy nianatra hamonjy fodiana ity tovolahy kely ity no tratry ny orana teny an-dàlana, ka nialoka teo ambodin- kily (voamadilo). Nirefotra nipoapoaka tsy nifandrenesana ny varatra sy kotroka tamin’io fotoana io ka niantefa tamin’ity ankizilahy ity. Mpivady niandry omby tsy lavitra ny toerana nisehoan’ny loza no nahita ny zava-niseho ka niezaka namonjy an’ity zazalahy, ary nitondra an’ity farany namonjy tanàna, indrisy tsy nisy azo natao tamin’ity zazalahy ity intsony, ka vatana mangatsiaka tsy nisy aina intsony no nalain’ny havany, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici